Lasa hono Lendrema Zanakalahin-dRalaitelofera nandeha niala an’Ankazomalaza Ia ô ia ô ia ia ia ô Lendrema maditra mamalivaly ny ray aman-dreny manao kamokamo mitsoaka raharaha Ia ô ia ô ia ia ia ô Naka fiarakodia Lendrema maditra Lasa nitsoaka any Antananarivo Ia ô ia ô ia ia ia ô Tsy hita intsony Lendrema Nitomany àry i Dada sy i Neny Ka nitomany àry izoky sy izandry Ia ô ia ô ia ia ia ô Any Anjanamasina no ahitana an’i Ndrema adala no ahitana ny zaza maditra Ia ô ia ô ia ia ia ô Nandeha nody any Ankazomalaza i Lendrema Avy nositranina fa lasa adala tany an-dafy andrefan’Antananarivo Nandeha nody any Ankazomalaza i Lendrema Voavelively fa zaza maditra tany an-dafy andrefan’Antananarivo Tonga soa Lendrema, tonga soa ilery e Faly izy leisy ka faly izy leisy Razandry a Ory vola, ory harena i Lendrema Tsy nahita asa ka nivezivezy tany ambanivohitry ray aman-dreniny Tonga soa Lendrema, tonga soa ilery e, Very izy leisy ka very izy leisy Razandry a Halan’olona any Ankazomalaza i Lendrema ka tandritandremana sao dia maditra Voatenitenin-dry zareo fokonolona Nony maty i Lendrema dia lambamena gony sy vatam-paty natao tamin’ny kesika ny azy a Nony maty i Lendrema tsisy nandevina zandry a Ity tantara ity dia tantaran’i Ndrema Ilay natao hoe Ndrema tena matin’ny ditra Rehefa maty i Ndrema ho ela velona ny zanany Zanak’i Ndrema: zanaka jomaka Zanaka jomaka hono aho ho’aho Jomaka Ka mirenireny foana eny an-dalana Bôfinay mitady hidegà Hidegà ka midegadegadegany eny an-dalana Dadanay efa tsy eo intsony Tsy eo intsony Efa matimaty foana tamin’ny rotaka Zanak’i Ndrema Zaza kamboty navelan’i Ndrema Teraka latsaka tany an-tsena Jomaka Zanak’i Ndrema Zanak’andevo tsy mahate ho tia Zaza maditra tsy vita sonia Jomaka Izy izy izy no zana-bahoaka Na zanaka jomaka aza izy e nahoana no ihomehezana fotsiny na atahorana? Zanak’i Ndrema Tsy misy vola hividianana vary Mangarom-paosy dia mamaky trano Jomaka Zanak’i Ndrema Tsy misy dada tsy misy neny Ny arabe solon-dray aman-dreny Jomaka Zanak’i Ndrema zanaka jomaka zanak’aliaka Jomaka Zanak’i Ndrema mizara vary am’zanak’aliaka Jomaka Izy, izy, izy no zana-bahoaka Tsy hita intsony Lendrema nitomany àry i Dada sy i Neny, nitomany àry izoky sy izandry. Ia ô ia ô ia ia ia ô